Nitondra ny voatsirambin’ny tanana. Nanampy ireo traboina noho ny tondra-drano ny eo anivon’ny Vondron’olon-tsotra (Vot), afakomaly. Nitondran’izy ireo izany ny eny Ambolanambo Avaradrano sy ny manamorona ny reniranon’ Imamba ary ny ao amin’ny Tetezan’i Bekiraro sy ny manodidina. Manampy ireo ny eny Ampefiloha Ambodirano.
Na izany aza, nofantenana manokana ireo vehivavy manano-tena sy ireo zokiolona sahirana notolorana fanomezana. Samy nahazo ireo kojakoja ilaina toy ny vary, ny savony sy ny sira ary voamaina izy ireo. Manampy izany lamba fitafy sy ny koba.
Nomena toromarika sy fanabeazana koa ireo mponina mba handray andraikitra sy tsy hiraviravy tanana ho mariky ny fihavanana sy firaisankina. “Mila ahitsy koa ireo mpiara-belona amin’ny fomba tsy mety hanaraka ny ara-dalàna hisorohana ny voina tahaka izao”, hoy ny filohan’ny Vot, Zoe Sarah.
Hitohy amin’ny fambolen-kazo eny amin’ny rovan’ Ambohidratrimo ny hetsiky ny Vot rahampitso.
Synèse R.
Cet article Fiaraha-mientana : nanampy ny traboina ny Vot est apparu en premier sur NewsMada.