Voailika indray ireo mpanao gazety avy amin’ny tsy miankina ao Toamasina, tamin’ny fanombohan’ny fihaonambem-paritra momba ny fampihavanana ataon’ny FFKM, afakomaly. Ireo mpanao gazety telo avy amin’ny haino aman-jerin’ny fanjakana ihany no nahazo alalana hanangom-baovao tao amin’ny lapan’ny faritra, Mangarano nanaovana ny dinika.
Tsy nanaiky izany anefa ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, Hajasolo Bao Michel sy ny avy amin’ny ankolafy Ratsiraka ka nivoaka ny efitrano fivoriana mba hifandamina amin’ny mpanao gazety sy namaha izany olana izany.
Fanindroany amin’izao no voailika ny mpanao gazety tsy miankina ao Toamasina. Anisan’izany ny tamin’ny fandraisana ny sambo lehibe sady hopitaly tao amin’ny seranana.
Sajo
Cet article Fampihavanana Toamasina : voailika ny mpanao gazety est apparu en premier sur NewsMada.