Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Resaka vehivavy sy resa-behivavy

$
0
0
fandalina

 Resaka vehivavy no resahina eto na tsy vehivavy irery aza no ampiresahina sy iresahana. Fa mankalaza sy manamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy foana isika isan-taona. Dia miverimberina ao ny resaka miralenta sy ny fandraisana andraikitry ny vehivavy. Fa angaha moa tsy mandray andraikitra tokoa ny vehivavy ? « Fampizakan-tena ny vehivavy, fampizakan-tena ny olombelona, takaro » no lohahevitra anamarihana izany, na manana ny antsika manokana aza ny eto Madagasikara. Dia samy hanakatra izany araka izay ho takany ny rehetra, raha hisy ny hazoto hiasa sy hampiasa saina. Tany Beijing tany, 20 taona lasa izay no nipoiran’io. Tsy hanadihady izany isika fa hifanontany tena hoe ahoana ny fampizakan-tena ny vehivavy amin’izao vaninandro izao?

Resaka vehivavy no resahina eto na tsy vehivavy irery aza no ampiresahina sy iresahana. 94 taona lasa izay, teraka na nipoitra ny fiandohan’ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny vehivavy tany Rosia tany, fony nitondran’i Lénine. Tsy hitanisa izay tohiny nifandrirotra sy nampivoitra izany teo anivon’ny Firenena Mikambana isika fa efa anisan’ny manamarika izany isika izao. Nanana ireo vehivavy kalaza sy malaza tamin’ny fandraisan’andraikitra isika. Tsy mena-mitaha amin-dry Jeanne d’Arc fanasohaso any Frantsa ireny na inona filaza. Nizaka tena sy nahazaka tena izy ireny ka nahazaka andraikitra teto amin’ny firenena. Saingy toa vitsy loatra hoy aho raha mitaha amin’ny tahan’ny isan’ny vehivavy amin’ny isan’ny mponina.

« Ny fanafahantsika ny fahefan’ny vehivavy no ahafahantsika miantoka ny ho avin’ny tsirairay », hoy ny dika malalaky ny ampahana fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, Ban Ki-Moon amin’izao fanamarihana izao. Ilàm-panafahana ve izany sa efa afaka amin’izao izy ? Matoa nisy vehivavy nandray andraikitra sy nalaza ary kalaza teto amintsika dia efa afaka nanao izany izy, ary nitana andraikitra tamin’ny raharaham-pirenena na fitantanana, ohatra. Mitaky ny fahasahian’ny sasany, mbola matoritory variandriana angamba izany. Mandany andro manao ilay fiteny maneso manao hoe « resa-behivavy ». Resabe tokoa, hono, mantsy ny amin’ireny fa tsy misy ventiny hampiharina. Fotoanany angamba izao hanovana izany. Fa ankoatra ny maha renim-pianakaviana loharanon’ny firenena ny vehivavy, afaka mitondra ainga vao amin’ny fanarenam-pirenena izy ireny, raha ny fahamaroan’ny loha misaina sy ny sandry miasa. Saingy mbola firy amin’ireo minisitra ao anaty governemanta moa no vehivavy? Ary firy amin’ireo depiote sy ben’ny tanàna no vehivavy? Aleo tsy ho resa-behivavy ny resaka vehivavy rahampitso. Arahabaina sahady ianareo ry Andriambavilanitra fa ho sahy handray andraikitra.

 Zoelson Randrianindrina

Cet article Resaka vehivavy sy resa-behivavy est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles