Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Fisolokiana avo lenta : Jiolahy nahatrarana basy P.A sy diplaoma hosoka

$
0
0
DIGITAL CAMERA

Malaza ratsy amin’ny fanaovana hosoka sy fanafihana mitam-piadina miharo fisolokiana avo lenta ny jiolahy iray vao 25 taona izao saron’ny polisy ao Tanambao  Bazarikely, ny alarobia maraina teo. Tao an-tranony eny Ambohijafy izy no voasambotra.

Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy basy tany aminy. Nangataka fahazoan-dalana tamin’ny fitsarana ny polisy mba hahafahana misava azy.

Ankoatra ny basy, mbola nahitana antontan-taratasy sandoka marobe tany aminy toy ny kara-panondro malagasy miisa efatra ary samy hafa ny laharany sy ny taona nahaterahany. Hita tany koa ny diplaoma bakalorea roa samy hafa ary pasipaoro izay efa nahatongavany tany ivelany.

Ny loharanom-baovao no nahalalana fa anisan’ny mpandray anjara amin’ny fandrobana jirofo sy mpandraharaha mahalafo jirofo izy.

Sajo sy Yves S.

Cet article Fisolokiana avo lenta : Jiolahy nahatrarana basy P.A sy diplaoma hosoka est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Trending Articles