Zandary mpiana-draharaha iray miasa eny amin’ny CSI Ivato no maty nodomin’ny taxi-be teny Imerinafovoany, omaly tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Nitondra môtô io zandary io, izay avy niandry faty teny Ivato. Voafaokan’ilay taxi-be ilay môtô ka nianjera tamin’ny arabe. Mafy ny fandonana ka nitarika ny fahafatesan’ilay zandary. Tonga teny an-toerana ny zandarin’i Talatamaty nizaha ity loza ity. Notazonina avy hatrany ny mpamily.
Taksiborosy iray notafihan’ny dahalo tany Beraketa, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva. Araka ny fanazavana, olona roa no nokarohan’ireo dahalo tao anaty fiara, ary navoakany tao. Notifirin’izy ireo ny olona notadiaviny ary maty teo noho eo. Lasa ireo dahalo rehefa vita ny nataony. Nanao ny fanarahan-dia ny zandary avy any Betroka. Voalaza fa nahafaty dahalo efatra izy ireo tamin’izany. Mandeha ny fikarohana ireo nahafaty olona roa tao anaty taksiborosy.
Tratran’ny zandary nitondra entana halatra tany amin’ny orinasa Sucoma ny kamiao an’ny miaramila 3/RM5, tany Analaiva Morondava, ny alahady lasa teo. Tratra ambodiomby nampakatra sy nitondra fitaovana avy ao amin’ny orinasa ny olona maromaro. Anisan’izany ihany koa ny “engrais” marobe, izay saika alefa any Antsirabe. Olona fito no notanan’ny zandary tamin’izany. Efa fanindroany no nahatrarana kamiao nitondra entana halatra avy ao amin’ny Sucoma nankany Antsirabe. Misy mpandray entana halatra izany any an-toerana, izay tokony ho fantatra raha mandeha araka ny tokony ho izy ny famotorana.
Notafihana dahalo 30 nitondra basim-borona 10, MAS 36 roa ary zava-maranitra ny tanànan’Ankilimahasoa Miandrivazo, ny alahady teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Omby 150 lasan’ny dahalo tamin’izany. Nanao ny fanarahan-dia ny zandary 17 sy ny fokonolona. Nifandona ny roa tonta, ka dahalo roa maty tamin’izany, ary tafaverina ny omby rehetra. Nisy basy tratra ihany koa.