Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70844

Vokatry ny hatsiaka sy hanoanana : fatin’olona roa hita teny amoron-dalana eto an-dRenivohitra

$
0
0
maty

Nahitana fatin’olona roa teny amoron-dalana eto an-drenivohitra, omaly maraina. Ny iray, vehivavy hita teny Ambodin’Isotry ary ny faharoa, lehilahy teny Andravoahangy. Samy tsy nahitana ratra teny amin’ny tenan’izy ireo na iray aza. Tonga teny an-toerana ny BMH nizaha ny razana ka nihevitra fa mety ho matin’ny hatsiaka sy ny hanoanana ireo olona ireo. Karazan’ireny mpatory an-dalana ireny avokoa mantsy ireto hita faty ireto.

Toe-javatra mateti-pitranga rehefa amin’ny fotoan’ny ririnina tahaka izao. Eny Andravoahangy moa, efa fanindroany tamin’ity taona ity ny nahitana razana tahaka izao. Tsy misy rahateo ny fepetra mifandraika amin’ireny olona mpatory andalana ireny eto amintsika. Izy ireo izay mihamitombo isan’andro amin’izao fotoana izao. Miandahy miambavy hatramin’ny zazakely eto an-dRenivohitra.

Tazanin’ny tompon’andraikitra fotsiny ireny olona ireny. Endrika mampiseho ny tena fahantrana lalina eto an-tanàn-dehibe. Akaiky ny fotoanan’ny frankofonia. Aiza ho aiza ny mety ho fanalana ireny olona ireny? Alaina mba ho tsy ho hitan’ny vahiny sa hisy mihitsy ny vahaoloana maharitra ho an’ny sahirana? Raha tsy misy ny politika mazava ataon’ny fanjakana ho an’ireny olona ireny, na ireo mbola any an-trano aza, ahina ny hanampy isa ny mpatory an-dalana noho ny krizy sy ny fahantrana.

Yves S.  


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70844

Latest Images

Trending Articles