Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Habibiana tany Marovoay : sady naolana no maty tapa-doha ilay zazavavikely 10 taona

$
0
0
fanolanana

Efa toy ny biby ny olona sasany. Tsy vitan’ny naolana ity zaza fa mbola novonoina  tamin’ny fomba feno habibiana ihany koa. Tsy mbola sarona ny nahavanon-doza.

Habibiana tsy roa aman-tany ny  nitranga tany Marovoay, ny faran’ny herinandro teo tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. Fatina zazavavikely vao 10 taona monja, nifatotra, nisy dian’antsy ny tendany ka tapaka no hita tanaty lobolobo, tao amin’ny toerana antsoina hoe Matotaitra. Tonga teny an-toerana ny zandary ka hita fa novetavetaina izy io izay vao novonoina. Fantatra fa tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, talohan’ny andro nahitana ny razana, ny maraina, ny namonoana azy io. Tsy fantatra ny nahavanon-doza, ary efa mandeha ny fikarohana.

Voalaza fa efa andro vitsy talohan’izao ny tsy nahitana ilay zaza io. Efa nokarohina, saingy tsy hita ny nanjavonany, raha tsy izao hita faty izao.

Toe-javatra tsy mpiseho any an-toerana ity nitranga ity, ary nivarahontsana tanteraka ny mponina noho izany. “Mety ho olona eo an-tanàna manana kakay amin’ny ray aman-drenin’ny zaza no nahavanona ny loza”, hoy ny olona. Miandrandra ny vokatry ny fanadihadian’ny zandary ny fokonolona ahafantarana ny tena marina.

Tsy voahaja ny zon’ny ankizy

Anatin’ny iray volan’ny ankizy tanteraka izao toe-javatra mampalahelo izao, maneho ny herisetra manjo azy ireo. Aiza ny andraikitry ny fanjakana, ny ray aman-dreny manoloana ny raharaha toy itony? Heverina fa tsy ho afa-maina ny nahavanona ny loza tahaka ity tany Marovoay ity. Manampy trotraka ny karazana fizahantany mamoafady atao amin’ny ankizy any amin’ny faritra any. Misy ny karazana fanentanana sy fepetra raisin’ny tompon’andraikitra ihany amin’izany, saingy tsy ampy ny fanaraha-maso amin’izy ireny. Eo ihany koa ny fomban’ny ray aman-dreny toy ny mivaro-janaka mihitsy amin’ny faritra sasany. Fomba iray mbola sarotra ihany koa ny fandaminana ity resaka fanolanana sy herisetra mianjady amin’ny ankizy ity.

Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Trending Articles