Hatramin’izao, mitohy ny kitsapatsapa sy andranandrana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sy izay atao na fanatanterahana fanapahan-kevitra. Anisan’ny fositra amin’izany ny tsy fakana na tsy firaharahana ny hevitr’izay sehatra na sokajin’olona voakasiky ny raharaha anapahan-kevitra.
Rehefa midona amin’ny rindrina amin’izany fomba fiasa hafahafa na kitoatoa izany ny mpitondra: izay vao mikoropaka manamarin-tena na miverin-dalana, mitady fifampidinihana na manarina ny lesoka. Raha tsy izany, manao amboletra amin’ny fahoany fahoany, na tian-kano tsy tian-kano…
Niseho, ohatra, izany tamin’ny volavolan-dalàna nizarana ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho kaominina enina na 12, tamin’ny taon-dasa. Tsy nisy fakan-kevitry ny hafa, ka samy nanohitra avokoa ny mpiasan’ny kaominina, ny mpanao politika, ny depiote, ny olom-pirenena tsotra…
Teo koa ny amin’ny haba Advance Cargo Declaration (ACD), saika hampiharina amin’ny orinasa mpanondrana sy mpanafatra entana. Nihetsika ny mpandraharaha tsy nakan-kevitra tany am-boalohany, izay vao nikoropaka nampiato izany ny fanjakana za-dratsin’ny tian-kano tsy tian-kano.
Karazan’izany koa ny amin’ny « Raharaha loholoha Lylison René de Roland« ? Efa tsy azo antoka ny fahazoana manala ny zo tsy azo enjehina sy tsy azo samborina io loholona io, vao navoaka ny hoe « tratra ambodiomby« , tsy nambara tsy nampiharan-dalàna hatrany am-boalohany.
Mbola andranandrana koa ny amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny fifandraisana? Tsy kisendrasendra nampandaniana mialoha izany teny amin’ny Antenimierandoholona, izay vao halefa any amin’ny Antenimierampirenena… tombanana hanaraka ambokony amin’ny fahoany fahoany.
Tsy mihevitra izay ho vokatry ny fanapahan-keviny sy izay ataony ny mpitondra? Na eo amin’ny sehatra sy sokajin’olona voakasiky ny raharaha izany, na izay ho fihetsiky sy ataon’izay tsy mba nakana-kevitra… Hahagaga raha tsy mety hisy fitoniana? Kitsapatsapa hatrany izay atao rehetra.
Rafaly Nd.