
Voasoroka, ihany omaly, ny fifandonana efa nahiana teo amin’ireo fokonolona marobe, avy ao Soamahamanina (Miarinarivo) sy ireo avy any Arivonimamo II, manohitra hatramin’ny farany ny hitrandrahan’ny sinoa volamena. Takian’izy ireo tsy misy hataka andro ny hialan’ireo sinoa ireo any an-toerana.
Tonga maro ireo mponina any Soamahamanina, omaly, nanohitra ny fitrandrahana ataon’ny sinoa any an-toerana, araka ny fotoana nifanomezan’izy ireo. Mitaky ny handroahana ireo sinoa any an-toerana tsy misy hataka andro izy ireo.
Nilahatra nitanjozotra namonjy ny toeram-pivorian’ny Justice et paix ny mponina avy any Arivonimamo II sy Miarinarivo, anisan’ireo faritra voakasika ny fandravana hataon’ireo sinoa. Tazana tany an-toerana ihany koa ny Emmo/Reg, saingy vitsy ireo raha nihoatra tamin’ny olona marobe. Tsy nisy ny fifandonana, araka izany, fa nilamina ny olona, saingy nisy ny fanehoan-kevitra fa tsy hanaiky mihitsy ny fitrandrahana ataon’ny Sinoa mandritra ny 40 taona any an-toerana.
Faritra maro voakasika amin’izany ka anisan’izany ny alana tapia, fasan-drazana, hatramin’ny ampahana fokontany iray mihitsy aza.
Nisy ny filazan’ny avy amin’ny Justice et paix ny momba ny tsy fisian’ny fifampiresahana teo amin’ny voakasika sy ny avy amin’ny fanjakana. Nilaza ny Mgr Rakotondrajaona Roger Victor fa tokony hisy ny fifampiresahana. Nisy mihitsy ny tsindry paingotra tamin’ny alalan’ny boky nosoratan’ny papa ray masina fa ny fitiavam-bola sy ny tsy fanajana ny hafa no fototry ny ratsy rehetra, ary efa no misy eto amintsika izany.
Matahotra ihany ny mponina
Na eo aza izany fikasan’ny mponina izany, matahotra ihany izy ireo sao tsy hohenoin’ny fanjakana. Nambaran’ny mponina fa efa any an-toerana ny fitaovana goavana hampiasain’ireo Sinoa hitrandrahana tany any an-toerana. Efa maro ihany koa ny tanimbary efa notetezin’ireo Sinoa talohan’izao. Manahy ny hisian’ny korontana ny Justice et paix. Efa nisy tahaka izao tany Mandritsara ka niafara tamin’ny korontana izany. Mety hitranga any Soamahamanina izany raha tsy misy ny fepetra raisin’ny fanjakana handaminana ny vahoaka. Ny fanjakana izay efa voahoso-potaka fa nivarotra tanindrazana manoloana ity raharaha ity. Milaza ny hivory indray ireo mponina hanomana ny hetsika hataon’izy ireo.
Yves S.