Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70745

Tifitra tany Orlando Floride : nilaza ho tampon’antoka ny Daesh

$
0
0
Islamika

Nambaran’ny Vondron’ny fanjakana islamika tamin’ny alalan’ny onjampeony fa izy ireo tamin’ny alalan’ny namany iray Omar Mateen no tompon’antoka tamin’ny fitifirana ka nahafaty olona 49 ny faran’ny herinandro teo tany Orlando Floride, Etazonia. Maty voatifitry ny polisy kosa anefa ilay nanao ny asa fampihorohoroana ka nahatonga ho 50 ireo maty. Tsiahivina fa niditra tao amin’ny toeram-pandihizana iray izy io ary nitifitra variraraka ireo sendra azy tamin’ireo niala voly sy nandihy tao, tokony ho tamin’ny roa ora maraina. Maro ireo nihevitra fa feom-basy ao anaty mozika izany, saingy taitra sy nikoropaka rehefa nahita ny faty nitsirara manerana ny trano. Teratany afghane, 29 taona mizaka ny zom-pirenena amerikanina, ity nahavanon-doza ity. Tsy niandry ela fa naneho ny alahelony sy tohina tanteraka ny filoha amerikanina, Barack Obama, manoloana izao tranga izao. Zary miteraka adihevitra any amin’ity firenen-dehibe ity amin’izao fotoana izao ny fahazoan-dalana mitana basy any an-toerana.

Synèse R. 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70745

Trending Articles