
« Misy kajy politika ao: mety tsy mbola vonona ve ny olona, na tsy mahita olona tokony hipetraka amin’izany fanjakana foibe amin’izao? » Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionaly vonjimaika eo anivon’ny KMF/Cnoe, Rabekijana Félix, teny Antanimena, ny faran’ny herinandro teo, momba ny mbola tsy fahatanterahan’ny fifidianam-paritra.
Tokony hatao amin’ity volana jona ity ny fifidianam-paritra, nefa tsy tratra. Farafaharatsiny, telo volana aorian’ny fanaikana mpifidy vao mandeha ny fifidianana. Tsy fantatra hoe rahoviana indray vao hotanterahina ireo fifidianana ireo. Tsy afa-kiteny hoe lany na tsia ny vola ry zareo, na misy ifandraisany amin’ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia izany, araka ny fanazavany.
Tokony hotanterahina izay voalazan’ny lalàna
« Ny fantatray: rehefa mitondra fanjakana ny tena, tokony hotanterahina izay voalazan’ny lalàna rehetra amin’ny fametrahana rafitra. Satria voalazan’ny lalàmpanorenana izany », hoy izy. Vita ny fifidianana kaominaly. Tokony hiditra amin’ny fifidianam-paritra isika, ary mitohy avy hatrany amin’ny fifidianam-paritany.
Mety mila vola, angamba, na mety mila olona… Anjaran’ny tomponandraikitra ara-panjakana no mieritreritra hoe tokony hotanterahina sa tsia ny fifidianana. Raha tany tena demokratika marina isika, aleo olom-boafidy no hitondra ny vahoaka. Satria manana ny hetahetan’ny vahoaka iray manontolo tokony hotanterahina ny olom-boafidy.
Tokony hotanterahina araka ny tokony ho izy ireo fifidianana isan’ambaratonga rehetra ireo, na ny eo anivon’ny faritra na faritany, araka ny fanazavany. Anatin’ny fotoana fohy no hanaovana izany. « Efa ho roa taona sy tapany izao, mbola tsy miainga ihany izay », hoy izy.
R. Nd.