Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Kolikoly : tompon’andraikitry ny fananan-tany 5 niakatra fitsarana

$
0
0

 Tsy afa-bela. Natolotry ny Birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly (Bianco), omaly teny amin’ny fampanoavana eo anivon’ny « Chaine pénal » etsy 67 ha ireo lehiben’ny fari-piadidiana momba ny fananan-tany miisa dimy eny Avaradrano, miampy ny ben’ny Tanàna teo aloha, eny Alasora. Voalaza fa voarohirohy ho tafiditra amin’ny resaka kolikoly sy fanodinkodinam-bola izy ireo, ny taona 2014. Resaka tany mirefy ana hekitara maro eny Alasora no nanaovan’izy ireo izany kolikoly sy fanodinkodinam-bola izany miaraka amin’ny tampona orinasa iray. Nanome taratasy fahazoan-dalana hanorenana tsy mifanaraka amin’ny lalàna kosa ilay ben’ny Tanàna teo aloha. 

Nidoboka am-ponja ny mpitantana any Mananara Avaratra

Tsiahivina fa nanao ny asany tahaka izao koa ny Bianco any amin’ny kaominina Mananara Avaratra. Sarona tamin’ny fanodinkodinam-bola sy ny kolikoly ireo mpitantana eo anivon’ny kaominina ka nampidirina am-ponja any Maroantsetra ny herinandro teo. Niditra an-tsehatra amin’ny fanadihadiana sy ny famotorana ny Bianco ka nahasaronana ireto olona ahiahina ireto.

Na eo aza ny olana ara-bola sedrain’ity rafitra mpanara-maso ny kolikoly ity, manao ny ezaka rehetra izy ireo amin’ny eo an-tanany ho fampihenana ny fihanaky ny kolikoly.

Synèse R.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Trending Articles