Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Rajoelina Andry : « tsy fotoan’ny fitsikerana intsony izao »

$
0
0
Rajoelina

Tsy afaka ny hangina manoloana ny tranga miseho eto amin’ny firenena na any ivelany aza. Naneho ny heviny tamin’ny alalan’ny tranokalam-pifandraisany ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina Andry ny herinandro teo.

 « Tsy fotoan’ny fitsikerana na fanadrohadroana intsony izao », hoy izy, afakomaly, manoloana ny voina lehibe manjo ny firenena noho ny tondra-drano. « Tsy ho lany andro hifanenjika isika, fa hampiseho fitiavana ny mpiray tanindrazana amintsika. Tsy hikely soroka eo anatrehan’ny loza voajanahary setraintsika vahoaka ihany koa », hoy ihany izy.

Am-pitiavana sy am-panetren-tena no anaovantsika izany adidy masina izany. « Tafiditra amin’ny tolona izay efa natombotsika tamin’ny taona 2009 ho amin’ny fanovana ary mbola andrandraintsika izany andraikitra izany », hoy ihany izy.

     Eo anatrehan’ny voina mitranga eo amin’ny fiarahamonina noho ny herisetran’ny toetr’andro àry, manainga ny tsirairay tsy hiandry ny malaina izy. Nefa koa tsy terena ny tsirairay amin’izany: hifanome tanana ny manodidina sy izay tandrify azy avy.

Nampiseho izany firaisankina izany isaky ny misy trangan-javatra toy izao izy, fony teo amin’ny fitondrana”, hoy izy. Hatao ho mariky ny firaisankin’ny rehetra voarakitra ao anatin’ny sotoavina amin’ny maha Malagasy antsika tsirairay avy izany.

     Manoloana izany, nanolotra fanampiana ho an’ny traboina tamin’ny alalan’ny filohan’ny Tetezamita ny eo anivon’ny Mapar ny asabotsy teo; ka nizara kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro : vary, fitafiana…. Nomena ny masera etsy Ampefiloha Ambodirano, hozaraina amin’ireo traboina.

Nd. Sy Synèse R.

Cet article Rajoelina Andry : « tsy fotoan’ny fitsikerana intsony izao » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles