
Tsy an-kiandriandry. Raikitra avy hatrany ny asa manoloana ireo fahasimbana noho ny ranobe eny Soavina Atsimondrano. Efa an-dalana ny fanarenana sy fanamboarana ny lalana eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Na izany aza, mila fitandremana tanteraka ny fanarenana noho ny mbola mampalemy ny lalana, ka tsy ahafahan’ireo fiaraben’ny Colas miditra manohy ny asa fanamboarana ilay lavaka be nahatapaka tanteraka ny lalana.
Efa vita tanteraka kosa ny fiarovana ny ampahan-dalana natahorana hirodana, mba hahafahana miroso amin’ny fanohizana ny asa fanotorana ilay lavaka be amin’izany lalana izany.
Tsy mbola tapaka azon’ny fiara andehanana anefa izany raha afaka mifamezivezy kosa ny olona. Eo koa ny lakana lehibe mandeha motera avy amin’ny “Corps de protection civil”, hitaterana ny olona ary miantoka ny solika ny BNGRC.
Tombony lehibe ho an’ny mponina eny an-toerana sy ho an’Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ireo vokatra amin’iny faritra iny ny fahavitan’ny lalana. Fa eo koa ny fahafahan’ireo kaominina manodidina mifandray sy ny fihenan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana.
Ankoatra izany, milina mpitroka rano miisa dimy no ampiasaina amin’ny faritra iva rehetra tondra-drano, toy ny eny Ampefiloha Ambodirano sy ny manodidina.
Efa vita ny fanadiovana ireo lakandrano ao ambinin’ny arabe manakaiky ny Etoile Rouge, ary efa mandeha tsara ny fivoahan’ny rano amin’ny alalan’io lakandrano io mankany amin’ny lakandrano any Andohatapenaka I.
Tsiahivina fa ny minisiteram-panjakana miadidy ny tetikasan’ny fiadidiana Repoblika, ny fanajariana ny tany, ny fampitaovana no anisan’ny misahana ny asa amin’ny ankapobeny.
Eo koa ny CUA ary ny eo anivon’ny minsiteran’ny Mponina.
Synèse R.
Cet article Fanarenana : amboarina ny fefilohan’i Soavina est apparu en premier sur NewsMada.