Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fivorian’ny Tim teny Faravohitra : malalaka amin’ny fanaovana politika Ravalomanana

$
0
0
Ravalomanana0203

Ela ny ela, afa-manao politika an-kalalahana ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Azon’ny rehetra tsidihina an-kalalahana koa… Nihaonana voalohany sy nifampiarahaba mivantana noho ny taona vaovao taminy teny Faravohitra, afakomaly, ny solontenan’ny Tim sy ireo fikambanana miara-dia aminy. Foto-dresaka ny amin’ny fampihavanam-pirenena, ny fiatrehana ny fifidianana, ny « Raharaha 2009« …

   Antoky ny fihavan’ny olana eto amin’ny firenena ny fampihavanam-pirenena, ka nanohy izany ny ankolafy Ravalomanana. « Be ny asa lehibe sy andraikitra hataontsika. Tena ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka malagasy. Mbola mitohy ary hitohy io fahasahiranana io… Misy mandray izany an-tendrony, satria tsy mazava aminy. Dia taitra, misintona, misintaka », hoy Ravalomanana.

 Miroso ny fampihavanam-pirenena

 « Niara-nanao sonia izy dimy mirahalahy, fa tomponandraikitra teto amin’ny firenena. Matoa toy izao ny firenena, nanana andraikitra izy ireo: nahatonga an’i Madagasikara amin’izao toerana misy azy izao », hoy Ramalason Olga.

Hidina eny amin’ny faritra ny dinika amin’ny fampihavanam-pirenena, tarihin’ny FFKM, ny 5-7 marsa izao. Ny 26-28 marsa ho avy izao ny fihaonambem-pirenena eto Antananarivo. Telo ny vaomiera amin’izany: ny fifamelana sy ny fampihavanana, ny fanarenana sy ny fanonerana ireo tra-pahavoazana, ny fanarenam-pirenena.

 Hiatrika ny fifidianana kaominaly ny Tim

 « Tsy maintsy miatrika ny fanavaozana ny birao politika eny ifotony ny fanomanana ny fifidianana », hoy Randrianarisoa Guy Rivo. Izay no hahafantarana sy hanomezana hery ny any ifotony. Aleo handeha amin’ny lalàna efa misy ny fifidianana, ary hivoaka ny fampihavanam-pirenena miaraka amin’ny fanorenana ifotony ny fanjakana. Ao anatin’izay no handinihana ny lalàmpanorenana, ny fizarazarana ny kaominina. « Aleo hatao ny fifidianana ben’ny Tanàna, satria tsy manana olom-boafidy hanatanteraka ny asa izay tiany hatao eny ifotony ny vahoaka », hoy izy.

   Na eo aza ny fahalalahan-dRavalomanana amin’ny politika, mbola giazana ny volany any amin’ny banky. Fifampiraharahana no hamahana izany. Niantso ny Tim hifanome tanana amin’ny fanampiana ireo traboina izy.

R.Nd

Cet article Fivorian’ny Tim teny Faravohitra : malalaka amin’ny fanaovana politika Ravalomanana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles