
Henjan-droa ny tady ary atahorana hipoaka ny fifandonana mivantana eo amin’ny ben’ny tanàna sy ny sokajin’olona maro ao amin’ny kaominina Alasora, ato ho ato, raha tsy mandray andraikitra haingana ny fitondrana. Tanterahin’ny ben’ny tanàna tokoa mantsy, ankehitriny, ny fandrahonana nataony tamin’ireo nanohintohina azy. Lohalaharana amin’ireo hampiharany ny fahefana nomen’ny vahoaka azy ny mpandraharaha ao amin’ny labatoaran’
Ankadindratombo izay efa noferany tsy hampiely vaovao an-gazety nefa tsy tana. Efa nanambara ny fahavononany hanohitra ny fampiasan-kery mety hatao aminy ihany koa anefa ny mpiasan’ny labatoara, tamin’ireny fotoana ireny, ka tsy maintsy hipoaka ny ady.
Valifaty sy fanaparam-pahefana
Ananan’ny ben’ny tanàna mifehy anay lonilony izahay ato amin’ny labatoaran’Ankadindratombo ankehitriny, hoy ny mpiasa ao. Nahatezitra azy ny fitakianay ny mangarahara mikasika ny fifanarahany tamin’ny sinoa nampanofainy ity toerana ity hatreny amin’ny Bianco, araka ny fanazavan’izy ireo. Nohasarotiny indray izao ny fiasan’ny mpandraharaha ao amin’io labatoara io ka namoahany lalàna tsy mbola nampiasaina teny hatramin’izay. Raràna, nanomboka tamin’ny 24 febroary teo, ny fampidirana omby sy kisoa avy amin’ny fiara ao amin’io toeram-pamonoana biby io ary tsy maintsy biby velona sy salama no azo entina miditra ao. Ho giazana avy hatrany, araka ny didim-pitondrana vao navoaky ny kaominina Alasora tamin’io vaninandro io, ny fiara na biby maty avy ety ivelany, tafiditra ao amin’ny labatoara.
Napetraka ho anjaran’ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny labatoara ny fanaraha-maso ny fanatanterahana io didim-pitondrana io. Ny fisian’ny gaboraraka sy ny fisorohana ny fidiran’ny biby maty an-dàlana ao amin’ny labatoara no voalaza ho anton’ny fanapahan-kevitra noraisina tampoka tao, ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka sy ho fanamorana ny fanaraha-maso.
Fanontaniana itakian’ny mpandraharaha valiny amin’ny ben’ny tanàna ny antony tsy namoahana na tsy nampisy io didy io talohan’ny fifanolanany tamin’izy ireo.
Manou
Cet article Ady mangatsiaka ao Alasora : maneho hery ny ben’ny tanàna est apparu en premier sur NewsMada.