Tsy nahatana ilay vehivavy anadahin’ny solombavambahoaka, manana andraikitra momba ny fananan-tany ao amin’ny antenimieram-pirenena mihitsy, ny mpitory azy teny amin’ny fitsarana noho ny fahefana tsy nitovy.
NItaraina ireto mpitory fa nahaforona taratasy famindram-pananana nasehony teny amin’ny fitsarana, hialany tamin’ny fiampangana azy noho ny fisolokiana tamin’ny tany namidy mantsy io vehivavy io. Ny tsy fahazoana io tany novidiana io taminy noho ny tsy fananany io taratasy io, hatolotra ny mpividy efa voarainy vola anefa no anton’ny naha-voatory azy ka nitazonana am-ponja vonjimaika azy.
Tena nisy “lava tànana” tao ambadik’izao raharaha izao, hoy ny mpitory, izay nanipika fa mbola tamin’ny anaran’olon-kafa ny taratasin-tany tamin’ny 10 janoary teo araka ny fanamarinana nataony tany amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany.
Làlana ambanin’ny tany
Nanamafy ny ahiahin’ny mpitory amin’ny fitsabahan’io solombavambahoaka io, tamin’izao raharaham-pitsarana izao koa, ny famadihana azy ho ady madio tampoka nefa fisolokiana no fitoriana napetraka, hoy ny mpisolovava izay nanamafy ny fitakiany ny vola efa voarotsaka. Fanararaotan’ireo mahita làlana ambanin’ny tany, isolokiana sy anaovana kolikoly ny raharaha mikasika ny tany, ankehitriny, hoy ny mpitory ity anabavin’ny depiote ity, ka angatahana fanaraha-maso akaiky avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana.
Nanita-dresaka tany amin’ny fampahalalam-baovao toy ny mahazatra azy ity solombavambahoaka mitonona ho teknisiana ambony momba ny fananan-tany ity, hanarontsaronana ny ambadika nenti-nanavotra ny havany tamin’izao raharaha maloto izao.
Manou
Cet article Anabavina depiote nisoloky tany : manana anadahy lava-tànana ka afaka, hoy ny mpitory est apparu en premier sur NewsMada.