
Fanambin’ny governemanta amin’izao fotoana izao ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana. Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andrianjafimahery Alphonse: « Anisan’ny antoka lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fahaleovantenan’ny fitsarana. » Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ahoana ny fahitan’ny SMM ny hoe fanjakana tan-dalàna amin’izao fotoana izao?
Andrianjafimahery Alphonse (-): Raha faritana aloha ny atao hoe fanjakana tan-dalàna: eo ambany lalàna avokoa ny olon-drehetra, tokony hanaja lalàna avokoa ny olon-drehetra.
Raha ny eto Madagasikara, ny lalàmpanorenana no lalàna farany ambony indrindra. Tokony hanaja izany avokoa ny rehetra. Raha ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao, tsy afahafana miteny hoe: efa ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna isika.
Iaraha-mahalala, ohatra, ny asan-jiolahy. Azo lazaina hoe be ny tsy fanarahan-dalàna amin’io… Toy izany koa ny hoe: efa rarana ny fanondranana an-tsokosoko andramena, nefa mbola betsaka ny manao izany. Na ny fanondranana vatosoa sarobidy, volamena… Be ny tsy manaja lalàna amin’izany. Tsy mbola tena ao anaty fanjakana tan-dalàna isika.
* Manao ahoana ny eo anivon’ny fitondrana ny amin’ny hoe fanjakana tan-dalàna?
- Raha raisina, ohatra, ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) farany teo: fanjakana no nanolotra ny lalàna mifehy ny kaominina manana sata manokana, nefa ny HCC mahita fa tsy manara-dalàna izany. Raha izay lafiny izay fotsiny, ohatra: misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny lalàna nataon’ny fitondrana.
* Ary ny amin’ny lafiny fisaraham-pahefana?
- Arakaraka ny karazam-pitondrana misy ny fisaraham-pahefana, raha ny tena marina. Hafa ny hevitr’izay raha amin’ny fitondrana parlemantera (régime parlementaire). Hafa koa izay amin’ny fitondrana manome vahana ny filohan’ny Repoblika (régime présidentiel), izay mbola mizara roa: « régime semi-présidentiel », « régime présidentiel fort ».
Ho an’ny fahefana mpitsara manokana, tsy tokony hotsabahin’iza na iza. Amin’ny fitondrana parlemantera na ny fitondrana manome vahana ny filohan’ny Repoblika, mbola eo ihany ny fifandraisan’ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka. Fa ny fahefana mpitsara amin’izany, tokony hahaleo tena: tsy hotsabahin’ny mpanatanteraka na ny mpanao lalàna.
* Aiza ho aiza tokoa izay hoe fahaleovantenan’ny fitsarana izay eto Madagasikara amin’izao fotoana izao?
- Ny SMM manokana, mitaky ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Sarotra ny hiteny hoe mahaleo tena ny fitsarana amin’izao fotoana izao. Araka ny re farany teo, tamin’ny herinandro, miezaka amin’ny fampanajana ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy ny fiadiana amin’ny kolikoly ny praiminisitra. Manohana izany izahay, satria ny fahefana mpanatanteraka no efa miteny hoe atao izay hampahaleo tena ny fitsarana.
Efa nisy ny fikaonandoham-pirenena, febroary 2012, hahatongavana amin’izay fahaleovantenan’ny fitsarana izay. Anisan’ny voateny ombieny ombieny, ohatra, ny amin’ny hoe: tokony hisaraka raha vao momba ny fitantanana ny mpitsara sy ny asany. Sarotra ny ahitana hoe mahaleo tena ny mpitsara, raha mbola miditra amin’izany ny fahefana mpanatanteraka.
* Mila fanamboarana izany ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), izay ny filohan’ny Repoblika no filohany ary ny minisitry ny Fitsarana no filoha lefitra?
- Efa tolo-kevitray tany amin’ny fikaonandoham-pirenena io: aoka tsy ho ao amin’ny CSM ny fahefana mpanatanteraka. Misy zavatra maromaro tsy maintsy hokitihina raha hiroso amin’izany. Raha hanaiky hanatsara ny lalàna momba ny fitsarana ny praiminisitra, arahaba soa, arahaba tsara.
* Ahoana ny amin’ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana, izay anisan’ny fanambin’ny governemanta?
– Efa miezaka manentana sy mandresy lahatra ny namana ny amin’izany ny SMM amin’ny fitetezam-paritra. Mba hialana tsikelikely amin’ny fahalovana sy ny kolikoly… Raha milaza ny fahefana mpanatanteraka hoe hampiana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny mpitsara, omeo ny fitaovana rehetra hahazoana miroso amin’izany.
Anisan’izany, voalohany indrindra, ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Mifampiankina foana io… Na hitsara aza ny mpitsara, araka ny fepetra takina aminy: misy fanerena avy any ambony… Ny parlemanta, ohatra, mitsabaka amin’ny fitsarana; any amin’ny faritra, ny manampahefana any an-toerana, mitsabaka amin’ny fitsarana…
Anisan’ny antoka lehibe amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Andry iankinan’ny fampandrosoana ny fitsarana. Na firenena aiza na aiza, raha manaraka tsara araka ny tokony ho izy ny mpitsara tsirairay: antoky ny fampandrosoana izay.
Antoky ny fampandrosoana amin’ny firenena rehetra ny mpandraharaha. Koa raha misy, ohatra, mpandraharaha roa miady, ary raha vao tonga eo amin’ny fitsarana ny raharaha: gadraina izay manao tsy mety, fa tsy misy fanelanelanana na kolikoly. Miteraka fampandrosoana izay. Izany hoe: tsy misy ny kolikoly eo amin’ny fitsarana, tsy misy mifamitaka eo amin’ny asa fandraharahana, fivadiham-pitokisana sy fisolokiana. Mahatonga fampandrosoana izay.
Nangonin’i R. Nd.
Cet article Filohan’ny SMM, Andrianjafimahery Alphonse : « Antoky ny ady amin’ny kolikoly ny fahaleovantenan’ny fitsarana » est apparu en premier sur NewsMada.