Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Fantina sy fintina

$
0
0

Notsipahin’ny HCC indray koa ny volavolan-dalàna momba ny fitsipika hampandehanana ny Antenimierandoholona sy ny momba ny fifidianana azy ireo na hanendrena ireo parlemantera ireo. Nivoaka, omaly ny fanapahan’ny eo Ambohidahy momba izany milaza fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana io volavolan-dalàna nolanian’ny depiote io.

 Misedra olana eo amin’ny anarana hoenti-mandrotsaka kandidà hofidina ben’ny Tanàna ny eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny antoko Tim fa an-dalam-pandaminana ny momba izany izy ireo amin’izao fotoana izao.

Na izany aza, efa miomana amin’ny fiatrehana izany ny mpomba ny filoha teo aloha.

 Hiatrika fivoriambe eny amin’ny foibeny eny Alarobia ny eo anivon’ny Cenit anio. Anisan’ny hodinihin’izy ireo ny dingana hatao taorian’ny nitsipahan’ny HCC ilay sata manokana mifehy ny tanàna telo : Antananarivo Renivohitra sy Nosy Be ary Sainte-Marie. “Ny tandrifim-pahefana eo an-tanan’ny Cenit momba izany no anisan’ny hifampiresahana”, hoy ny eo anivon’ny Cenit, omaly.

 Efa navoakan’ny HCC ny herinandro teo fa 150 ireo kaominina vaovao, manomboka izao rehefa avy nandalo ny Antenimiera.

Tsiahivina anefa fa 144 izany tamin’ny faran’ny volana janoary teo. Anisan’ny nahazo kaominina vaovao ny any amin’ny distrikan’Andramasina. Lasa 14 izany raha 12 teo aloha.

Cet article Fantina sy fintina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles