
Tao anaty torimaso lalina ireto mpivady vao 20 sy 22 taona monja no maty nihotsahan’ny trano, teny Tsimbazaza. Afakomaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina tany ho any no nitrangan’izany, tao anatin’ireny orambe nikija teto an-drenivohitra ireny. Fantatra fa mipetraka ao ambany rihana izy mivady no nihotsaka tampoka ny trano. Ireo tao ambony rihana tafatsoaka soa aman-tsara, fa izy mivady tsy nahare na inona na inona. Niezaka namonjy ihany ny manodidina mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina.
Araka ny nambaran’ny fokonolona teny an-toerana, mbola nisy aina ihany izy roa ireo tamin’ny fotoana nisokirana azy, saingy maty rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Nilaza ny olona fa raha tsy tara ireo mpamonjy voina, mety avotra ihany izy mivady kely.
Mbola nahitana trano nihotsaka ihany koa teny Ambanidia Ambohimiandra, omaly. Tranogasy iray efa tranainy izy io no nirodana tampoka. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy fa avotra avokoa ireo mpianakavy maromaro tao amin’ilay trano. Nilaza ny sefom-pokontany Ambohimiandra fa efa nampilaza mialoha ireo fianakaviana satria hita ny haratsin’ny trano, saingy tsy nety niala. Ny firodanana no nanala azy ireo tamin’ilay trano.
Yves S.
Cet article Tsimbazaza : mpivady maty nihotsahan’ny trano est apparu en premier sur NewsMada.