Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Vokatra tsy manara-penitra : manjaka ny gaboraraka

$
0
0

Mitobaka ny vokatra mampiahiahy ! Tsy fantatra intsony ny tena fanaraha-mason’ny fanjakana sy ny tompon’andraikitra manoloana ny vokatra tsy manara-penitra eto amintsika. Amin’ny sehatry ny fambolena sy ny manodidina azy, ohatra, maro ireo vokatra simika hafarana avy any ivelany tsy manaraka ny fenitra, mamitaka ny mpanjifa amin’ny vidiny mora nefa tsy voahaja ny kalitao. Anisan’izany ny vokatra amidin’ny orinasa Agrichem, tantanina mpandraharaha avy any Rwanda eto amintsika, hafarany avy any Sina nefa ratsy kalitao fa amidy mora.
Hamantarana azy ireo ny vokatra miafara amin’ny litera « bex », toy ny Dimethobex, ny Pyribex, ny Malabex, ny Lambdabex, ny Ridovex, sns.
Saika fanafody simika hiarovana ny voly sy zezika avokoa ireo, izay mampanahy ny mety ho fahombiazany ho an’ny tantsaha malagasy ka vao mainka mampiditra fatiantoka ho an’ny mpamboly.

Ampitoviana ny anarana nefa samy hafa ny kalitao
Eo koa ny orinasa Agrivet, mampiasa anarana vokatra mifanakaiky amin’ny tena izy. Anisan’izany ny fampiasana anaran’ny vokatra Akito, manana kalitao ambony sy manana fankatoavana ara-dalàna, ka hivarotan’ity orinasa ity ny vokatra Akito-B. Amidy mora kokoa
miohatra amin’ny vokatra tena Akito, nefa samy hafa mihitsy ny kalitao sy ny mpamokatra azy.
Saika hafaran’ny Agrivet any India avokoa ny vokatra amidiny. Ny mahagaga dia amidy mora kokoa izy ireo nefa dia misy izao ny hetra aloa sy ny saran’ny fanafarana ny entana. Ankoatra ny Akito-B, vitan’ity orinasa ity koa ny mivarotra vokatra efa lany andro.
Anisan’izany ny Deltagri 2,5EC, izay tsikaritra ohatra fa namboarina ny febroary 2013 ary lany fe-potoana azo ampiasaina ny janoary 2015, ka amidy 10.000 Ar ny litatra raha toa ka 18.000 Ar/l no tokony ho izy.
Azo adika fa voa mafy ny mpanjifa, indrindra ny tantsaha, miady mafy ho an’ny fampandrosoana sy ny famokarana, nefa fatiantoka iray lavaka no azo amin’izao fihetsika tsy manaja ny tolotra omena izao.

Randria

Cet article Vokatra tsy manara-penitra : manjaka ny gaboraraka est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70319

Trending Articles