Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fisolokiana : lasa fitsarana raharaha ady madio ny olana

$
0
0

Nivoaka, omaly, ny didy avy amin’ny fitsarana momba ilay raharaham-pitsarana nahatafiditra ny anabavin’ny depiote iray malaza eto amin’ny tanàna. Navadiky ny fitsarana ho any amin’ny ady madio ny raharaha, noho ilay resaka tany novidiana kanefa tsy azo, ary hitohy amin’ny fotoana hafa indray izany. Nampahatsiahy ny mpisolovava ny mpitory fa fisolokiana ny fitoriana nataon’izy ireo, ary mitaky ny hamerenana ny vola izy ireo. Nivadibadika ny teny nataon’ny voatory teo anoloan’ny fitsarana, ary nahaforona taratasy vetivety ny voarohirohy raha tsy nanana taratasy natolotra ny mpividy tany mihitsy. “Nandritra ny fotoana nitazonana am-ponja an-dramatoa no nahavita ny taratasy famindram-panana. Ny 10 janoary lasa teo, nanao ny fanamarinana tany amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany izahay, mbola amin’ny anaran’olon-kafa ny tany. Mahavariana ny nahavitan’izany tampoka teo”, hoy ny fanazavana. Mangataka amin’ny mpitondra mba hijery akaiky ny raharaha ny mpitory. Amin’ny raharahan-tany toy itony ihany koa no tena isehoan’ny fisolokiana sy ny kolikoly.

Yves S.

Cet article Fisolokiana : lasa fitsarana raharaha ady madio ny olana est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles