Noraisin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Mponina, omaly teny Ambohijatovo, ny Société civile en action (SCA) izay notarihin’ny mpandrindra ankapobeny, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Firaisamonim-pirenena miisa 42 no mivondrona ao amin’ny SCA.
Nisy ny fijerena manokana teo amin’ny roa tonta mba hahafahana manampy ireo tsy an’asa ho ao anatin’ny tetikasa fifindra-monina ambanivohitra. Nampahafantarin’ny fikambanana nandritra ny fihaonana tamin’ny minisitera ny fisian’ireo andian’olona misoloky ho fiarahamonim-pirenena ary mitady famatsiam-bola ao amin’ny minisitera.
Nanome toky kosa, ny minisitera fa vonona ny hifanome tanana amin’ny SCA ary nangataka drafitrasa mazava mba hahafaha-manatanteraka ny drafitrasam-pampandrosoana hanasoavana ny vahoaka madinika ho fanoitra amin’ny fahantrana.
Manoloana izany, hotoloran’ny Firenena Mikambana, amin’ny alalan’ny Commissaire Haut de droit de l’homme mari-pankasitrahana ny filohan’ny tetikasa fifindra-monina ambanivohitra.
J.C
Cet article Ady amin’ny fahantrana : hiara-kiasa ny minisiteran’ny Mponina sy ny SCA est apparu en premier sur NewsMada.