Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70696

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2019) : hiadiana medaly volamena koa ny Rugby à 7

$
0
0
????????????????????????????????????

 Taranja vaovao ho an’ny lalaon’ny Nosy 2019, hatao any Maorisy, ny Rugby lalaovina olona fito. Ankoatra izay, 14 ny isan’ny lalao hiadiana medaly volamena, ho an’ity andiany fahafolo ity.

Tapaka nandritra ny fivoriana nataon’ny filankevitra iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), natao tatsy Maorisy fa anisan’ireo taranja hiadiana medaly volamena koa ny rugby lalaovin’olona 7, ho an’ny sokajy lehilahy, amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2019). Ny rugby à 7, izay efa nanaovana fampisehoana fotsiny, nandritra ny fihaonana natao tany La Réunion, tamin’ny taona 2015.

Ankoatra izay, taranja efatra, tamin’ny andiany fahasivy, natao tatsy La Réuniona no tsy noraisina intsony : ny baolina kitra ho an’ny vehivavy, ny tenisy, ny handball ary ny «voile». Fanapahan-kevitra izay nandiso fanantenana ireo filohan’ny federasiona.

Tsy mbola noraisina ihany koa ny fangatahan’ireo taranja vaovao hafa, toy ny kick-boxing. Teo koa ny an’ireo hafa izay efa tao anatiny teo aloha, ary nangataka ny hiverina saingy nolavin’ireo mpikambana. Voakasik’izany, ny tsipy kanetibe sy ny karaté ary ny Lutte.

Hatreto izany,  taranja 14 nifaneken’ny rehetra fa hifaninanana amin’ny lalaon’ny Nosy 2019, izay hatao any Maorisy. Tsy misy ady hevitra intsony mantsy ny fampiantranoana azy ity, satria nivoaka ny efitrano fivoriana ry zareo Kaomorianina, izay nihevitra ny hiady handray ny lalao.

Ankoatra izay, lany hitantana ny CIJ, indray ilay Seiseloà, Antonio Gopal, izay handimby ilay Maorisianina, Philippe Hao Thyn Voon. Tsiahivina fa efa nitondra ity rafitra ity, ihany izy ny taona 2004 ka hatramin’ny 2008. Randrianasoloniaiko Siteny, filohan’ny komity olympika malagasy (Kom), ny eo amin’ny filoha lefitra, miaraka amin’ilay teratany Maldive, Masooq Ahmed sy Thierry Grimaud. Hisahana ny toeran’ny sekretera jeneraly, ilay Maorisianina, Vivian Gungaram, ary hitam-bola Philippe Hao Thyn Voon.

 Tompondaka

Ireo taranja 14 ho an’ny lalaon’ny Nosy 2019

Atletisma, Badminton, Basikety, Ady totohondry, Hazakazaka am-bisikilety, Judo, Fibatana fonjam-by, Lomano, Tenisy ambony latabatra, Baolina kitra, Volley-ball, Rugby à 7.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70696