Hotanterahina anio, any Fenoarivo Atsinanana ny fivoriamben’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Manoloana izany, nanolotra fitaovana toy ny “Power box” 4G, ho an’ireo filohan’ny ligim-paritra 22 ny orinasan-tserasera Telma Madagascar. Mba hahazoana mifanerasera sy mifampita vaovao amin’ny samy tomponandraikitry ny ligy, ny antony voalohany. Eo koa ny “routeur wifi”, hahafahana mifandray amin’ireo mpikambana eo anivon’ny federasiona, mba hahazoana mahazo vokatra azo tsapain-tanana, mandritra ny taona.
Ankoatra izay, afaka hanaraka ireo vaovao sy ny fivoaran’ny taranja, ny mpankafy ny baolina kitra. Ity orinasa ity izay mpanohana voalohany ny baolina kitra malagasy, mba ho an’ny fahombiazan’ity taranja be mpankafy sy mampiray ny rehetra ity. Marihina fa hanolotra fankasitrahana ho an’ireo mendrika ny Telma, amin’ity anio ity, ka hahazo izany ny mpitsara, ny mpilalao, ny ligy, ny mpanao gazety, ny mpilalao tranainy, ny mpitantana ary ny mpanohana. Ny Telma izay, mpanohana voalohany ny baolina kitra malagasy.
Tompondaka