Raikitra. Hotanterahin’ny federasiona malagasin’ny lomano, amin’ity faran’ny herinandro ity (asabotsy 20 febroary sy alahady 21 febroary), ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny sokajy tanora. Etsy amin’ny dobo filomanosana Olympika ANS Ampefiloha kosa no hizoran’ny fifaninanana mandritra io roa andro io.
Raha ny vaovao voaray, indray hiady ny lohany amin’izany ny ligim-paritra efatra : Analamanga, Vakinankaratra sy Atsinanana ary Boeny. Araka izany, mpilomano maherin’ny 200 no hifampitady, hiady lohany amin’ireo taranjam-pifaninanana misy eo amin’ny taranja lomano.
Ankoatra izay, anisan’ny fifaninanana hifantenana ireo mpilomano Malagasy eo amin’ny sokajy zandriny mety handrafitra ny ekipa nasionaly hiatrika ireo hetsika iraisam-pirenena mety handraisantsika anjara.
Etsy andaniny, fantatra ihany koa fa nahazo fanasana manokana roa na Wild-card hahafahana mandray anjara amin’ny Lalao Olympika 2016 (J.O) any Rio, Brezila, isika amin’ny alalan-dRabetsara Aina Fils Estellah, eo amin’ny vehivavy, sy Ralefy Sitraka Anthony, eo amin’ny lehilahy.
M.N.