Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70768

Gadona vaovao : namorona ny « zag zig » i Blezz’o

$
0
0
GADONA

Andriamiaramanana Dimbiniaina Duc, fantatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto amin’ny anarana Blezz’o. Hafa noho ny efa faheno hatramin’izay ny gadon-kira noforoniny.         « Zag zig », fitambarana gadona samihafa hita eto Madagasikara. Ao anatina hira iray, ahenoina gadona avy any atsimo, andrefana, atsinanana ary avaratry ny Nosy.

Tombony lehibe ho an’i Blezz’o ny fananana feo avo dia avo sy ny feo iva indrindra ary ny fihirana teo anivona tarika maro. Teo ihany koa ny fanafanana sehatra marobe efa nataony nandritra ny fotoana ela. Raha ny fanazavany, tsy misy sisin-tany ny mozika. Noho izany, azo atao tsara ny manambatra gadona samihafa ao anatina sanganasa iray. « Na izany aza, tsy maintsy tazonina hatrany ny maha kanto ilay mozika. Voarindra tsara, azo henoina tsara, sns », hoy izy.

Tsy mitsahatra ny mikaroka sy mamorona ity mpanakanto vao herotrerony ity sady vonona ny handeha irery amin’ny famakivakiana ny lalan’ny mozika. Vonona ny hifanakalo hevitra sy hifampizara traikefa amin’ireo mpanakanto hafa ihany koa i Blezz’o.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70768

Trending Articles