
“Vao mainka…”, hoy ny dokambarotra fanairana, efa nandeha tamin’ny fahitalavitra, andro vitsivitsy izay. Tsy nisy nahalala hoe inona no tao ambadik’izay, raha tsy nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly, teny amin’ny foiben’ny orinasa Star Andraharo. Mahakasika ny labiera Skol izy io, izay fantatra fa niova endrika fa indrindra niova tsiro ihany koa. “Ao ihany ilay tsiro fototra mampiavaka azy, fa mihena ny ngidiny sy ny tahan’ny alikaola ao anatiny, mba ho mora sotroina kokoa”, hoy ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny famokarana ny labiera ao amin’ny orinasa Star. Nahitsy araka ny filan’ny mpanjifa, taorian’ny fanandramana izy ity. “Endriny vaovao, tsirony vao mainka ao tsara”, ny lohahevitra, ka nalaina tamin’izay ilay hoe “Vao mainka…”.
Araka izany, miezaka ny misokatra ho an’ny mpanjifa tanora kokoa (18 hatramin’ny 30 taona) ny Skol, indrindra ireo tia misokatra, mankafy fety sy fialamboly. Ho fanampin’ny fampahafantarana, hisy ireo lalao hahazoan’ny mpanjifa loka ao amin’ny pejy “Facebook” Skol Madagascar.
Zo ny Aina