Valo ny ekipa nandray anjara tamin’ny famaranana fifaninanana Hackathon natao tany Dakar Senegal. Fifaninanana nokarakarain’ny Société générale, orinasa renin’ny BFV-SG eto Madagasikara, nifantoka tamin’ny famoronana tetikasam-pampandrosoana mifandrainka amin’ny Teknolojian’ny informatika sy ny fifandraisana (Tics) ankehitriny. Lohahevitry ny tetikasa noforonin’ny Malagasy ny antsoina hoe Digi Bank, ary nankasitrahan’ny BFV-SG satria azo ampiasaina tsara any amin’ny banky rehetra eto Madagasikara. Nampiavaka ny Malagasy, mbola mpianatra avokoa no nandrafitra azy ireo, raha efa am-perin’asa ny firenena ambiny.
Mpianatra ao amin’ny sekoly ambony IT University izy efatra mianadahy, Rafalimanana Rotsy, Andriamamonjy Karen, Razafindrakoto Jary, Andrianarijaona Harifetra. Nasehon’izy ireo fa tsy latsa-danja mihitsy ny mpianatra Malagasy amin’ny sehatry ny Tics. Niara-niasa ny BFV-SG sy ity sekoly ity tato anatin’ny roa taona, ary misy koa fiaraha-miombon’antoka amin’ny hafa.
Njaka A.