Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70783

Fandidiana katarakta : mpitsabo sivy voaofana amin’ny MSICS

$
0
0
mpandidy maso

 Nahazo ny taratasy manamarina ny fahavitan’ny fiofanany ny dokotera mpandidy maso sivy omaly, teny amin’ny HJRA. Nianatra momba ny fomba fandidiana amin’ny teknika vaovao ny katarakta  MSICS izy ireo. Nanofana ny manam-pahaizana avy amin’ny ONG Amerikanina Help Me See. 150 eo ho eo ny mpandidy maso malagasy hanaraka fiofanana miandalana fa efa am-perinasa ireo voaofana. Ankoatra ny fanofanana, nanolotra fitaovam-pandidiana ho an’ny olona 903 ny ONG. Ahitana ny fanafody sy ny fitaovana ilaina amin’ny fandidiana ny kit iray ary azo ampiasaina avy hatrany. Vokatry ny fanohanan’ny ONG, 160 000 Ar ny vola lany amin’ny marary hodidiana iray ka heverina fa hahazo fitsaboana avokoa ny olona jamban’ny katarakta rehetra, hoy ny filohan’ny ONG, omaly, teny Anosy.

40 ny mpitsabo mpandidy mahafehy ny fandidiana ny katarakta eto amintsika miampy ny sivy vaovao havanana amin’ny teknika MSICS. Tokony hahavita fandidiana 1 500 isan-taona ny olona voaofana.

Eto amintsika, 95%-n’ny aretina mahazo ny maso voatsabo eto avokoa. Mitohy ny hetsika fandidiana ny katarakta miaraka amin’ny fikambanana Lions Sight First Madagacsar (LSFM). Tao anatin’ny 17 taona nanaovana ny asa, 67 000 ny olona  voadidy, 69 000 hafa nahazo solomaso amin’ny vidiny mirary. Afaka dimy taona, ho foana ny fahajambana vokatry ny katarakta. Any ivelany, manodidina ny 65 taona eo ho eo vao miseho ny katarakta. Eto amintsika, tsy ampy iarovana ny maso ny sakafo hanina isan’andro ka indraindray mitranga ny aretina na mbola latsaky ny 60 taona ilay olona, hoy ny filohan’ny fikamban’ny mpitsabo maso eto Madagasikara, profesora Andriantsoa Violette.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70783