Hahazo ny vatsim-pianarana tsy ho ela ny mpianatra tao anatin’ ny lisitra fanampiny eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, araka ny fampitam-baovao nataon’ny mpianatra, omaly. Efa mipetraka eny anuvon’ny fakiolte rehetra ny lisitra sy ny daty hanefana ny vola. Mahatratra 1 095 ny isan’ny mpianatra miandry ny vatsim-pianarana amin’ny lisitra fanampiny ho an’ny eto Antananarivo. Sivy volana ny vatsim-pianarana mbola andrasan’ny mpianatra ary efa nanomboka niakatra ny feo teny an-toerana tamin’ny fiandohan’ny herinandro.
Mampahafantatra ireo rehetra liana amin’ny fahazoana vatsim-pianarana ho an’ny taona 2016 momba ny lalam-piofanana sciences humaines et sociales ny agence univertsitaire de la francophonie (AUF). Tafiditra amin’ny tetikasa « horizons francophones » ny vatsim-pianarana. Natokana ho an’ny olona mikarakara ny mari-pahaizana doctorat ny tolotra ary miantefa amin’ny sehatra anthropologie, didactique des langues, littérature et civilisations… Misy rahateo sekoly ambony ho an’ny faritra aty amin’ny ranomasina Indianina napetraka ho an’ny tetikasa. Telo taona ny fiofanana azon’ireo rehetra voasafidy. Hifarana ny 21 avrily ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo vonona.