Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70736

Antoko Malagasy miara-miainga : « Tsy hamaha olana ny fanovana governemanta »

$
0
0
????????????????????????????????????

 Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Antoko Malagasy miara-miainga (AMMM). « Tsy hahavaha olana ny fanovana ny governemanta na fanoloana ny mpikambana sasany na fanesorana ny Praiminisitra raha izao fomba fiasan’ny fitondrana izao…», hoy ny birao politika, Ramaroson Laurent, omaly tamin’ny resaka nifanaovana taminy. Nohitsiny fa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiainam-pirenena sy ny zava-drehetra ary ny ataon’ny fitondrana. « Mahazo vahana sy laka ny fiketrehana na fitadiavana tombontsoa manokana sy ny bizina samihafa… Misy jiolahy politika eto. Jereo ireny resaka andramena ireny. Ny momba ny fitsarana ary ny eny anivon’ny fonja. Efa manomboka miseholany avokoa izany amin’izao fotoana izao », hoy ihany izy.

Nambarany fa tsy vahaolana velively ny fanovana ny governemanta raha tsy mipetraka ny fanajana ny fifanarahana sy ny lalàna. « Anisan’izany ny lalàmpanorenana. Tsy misy hajany sy hasiny anefa izany », hoy ny AMMM.

Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny nambaran’ny eo anivon’ny Mapar, afakomaly. « Tsy misy dikany aminay na miova na tsia ny governemanta. Efa nandiso fanantenana anay », hoy ny mpitondra teny, Pierre Houlder.

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70736

Trending Articles