Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642

Zava-mahadomelina : manomboka mihanaka ny « gaz hilarant »

$
0
0
Gaz

 Zava-mahadomelina vaovao ary manomboka mihanaka manerana izao tontolo izao ny « gaz hilarant ». Efa maro ireo tanora mandray azy ity. Mampihena ny tahan’ny « oxygène » ao amin’ny vatana anefa ny fandraisana azy.

 Mihamivoatra hatrany. Tsy mionona amina zavatra iray sy efa fahita ny zanak’olombelona, indrindra fa ny tanora. Tsy ny eo amin’ny lafiny teknôlôjia ihany fa hatramin’ny zavatra hohanina sy mahadomelina. Amin’izao fotoana izao, manomboka mihanaka indray ny « gaz hilarant » na « protoxyde d’azote ». Mitovitovy amin’ny rongony fohina ihany ny « effet »-n’ity zava-mahadomelina iray vaovao ity. Amin’ny maha « gaz » azy, fohina na/sy trohina miditra any anaty vatatena amin’ny alalan’ireny balônina ireny ilay « protoxyde d’azote » na « gaz hilarant ». Raha ny filazan’ireo manampahaizana sy ny voka-pikarohana nataon’izy ireo mikasika ity zava-mahadomelina iray ity, fampiasan’ireo dokotera amin’ireny toeram-pitsaboana ireny ho fanadontoana hozatra na « anesthésie » ny « protoxyde d’azote ». Taty aoriana anefa, izany hoe, amin’izao fotoana izao, lasa varotina eny amin’ireny toeram-pivarotana enta-madinika ireny izy ity. Raha ny ao Europe manokana, efa fatra-pitady ary efa mandray azy ity avokoa ny ankamaroan’ireo tanora. Efa manomboka mihanaka manerana izao tontolo izao ihany koa ny fandraisana ny « gaz hilarant ».

Marihina anefa fa amin’ny maha zava-mahadomelina azy ity, mampihena ny tahan’ny « oxygène » ao amin’ny atidoha sy ny vatana ny « protoxyde d’azote » ary miteraka tsy fahasalamana aoriana kely ao. Noho izany mila, mitandrina ny tsirairay amin’ny fandraisana itony zava-mahadomelina itony.

Cet article Zava-mahadomelina : manomboka mihanaka ny « gaz hilarant » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642