Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70676

Otrikafo : « Fanapahan-kevitra politika no nataon’ny HCC »

$
0
0
Otrikafo 25 febroary 15

 « Olona mahay lalàna avokoa ny ao… Resaka politika fotsiny ny an’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), milaza hoe ajanona aloha ny amin’iny lalàna iny, satria fanavotana ny fahefana mpanatanteraka. » , hoy ny filohan’ny Otrikafo, Rajaonah Andrianjaka, teny amin’ny foibe toerany, Andravoahangy Ambony, omaly.

Tsy misy izany tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana izany ny fanamboarana ny fandaminana ny lafintany, araka ny fanazavany. Raha misy aza, ohatra, ny volavolan-dalàna tena mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana, azo atao ny manitsy ny lalàmpanorenana hahazoana mandroso…

« Ny zavatra mampalahelo, tsy misy mandeha amin’ny tokony ho izy intsony ny andrimpanjakana rehetra eto », hoy izy.

 Mila fanamboarana an’Antananarivo Renivohitra

 Tokony nisy fakana ny hevi-bahoaka mialoha ny nandanian’ny Antenimierampirenena ny lalàna mifehy ny kaominina manana sata manokana. Ao anatin’izany ny lalàna fizarazarana ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho kaominina boriborintany enina.

Inona ny vahaolana? Efa mila fanamboarana tanteraka ny rafi-pitantanana misy amin’izao fotoana izao, fa tsy azo iainana intsony: be loatra, ohatra, ny mponina, araka ny fanazavany. Tena fanatsarana fitantanana no hatao fa tsy fanaovana politika maloto amin’ny hahazoan’ny antoko eo amin’ny fitondrana vahana.

R.Nd.

Cet article Otrikafo : « Fanapahan-kevitra politika no nataon’ny HCC » est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70676

Trending Articles