Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Fifidianana kaominaly : « Efa tonga saina ny ankolafy Ravalomanana », hoy R. Ihanta

$
0
0
Ihanta

 Tsy hanao toy ny tamin’ny fifidianana depiote intsony. Hampivondrona ny heriny hiatrehana ny fifidianana kaominaly ireo mpomba ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. « Eo am-pijerena izany izahay na ny isaky ny antoko, na Tim na MFM na Teza na AMF/3FM », hoy ny mpikamban’ny antoko Teza, Randriamandrato Ihanta, nandritra ny tafa nifanaovana taminy teny Mahamasina. Hiaraha-mijery, noho izany, izay olona harotsaka sy afaka hanao izany ka mety ho lany.

« Samy mijery izany izahay rehetra ary hifampidinika rehefa avy eo hoe mety ve », hoy ihany izy. Ho kandidà tokana izany ny avy amin’ny ankolafy na rahoviana na rahoviana ny fifidianana kaominaly. Tsy hisy intsony kandidà ahitana olona roa na telo avy amina ankolafy iray. « Efa tonga saina amin’izany daholo ny rehetra », hoy ihany izy.

 Fampihavanana sy fanonerana

 Anisan’ireo « gadra politika » nangingina ity delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana nanatrika ny fampihavanan’ny FFKM tao Mahamasina ity. Na izany aza, nomarihiny tamin’ny fifampiresahana taminy fa ilaina sy tsara raha misy fivondronana toy ny federasiona eo amin’ny samy gadra politika. « Efa afaka mivondrona ao anaty fikambanana iray ny rehetra dia efa zava-dehibe », hoy Randriamandrato Ihanta. Aminy, efa dingan’ny fahalalahana sy fampihavanana, ohatra, ny fahafahana miresaka amin’ireo olona nanagadra ny tena ary ampirisihina. « Ny mihoatra izany aza mbola tadiavina », hoy ihany izy.

Momba ny fanonerana azy ireo kosa, nanteriny fa efa ao anaty soridalana izay lasa lalàna ny amin’izany nefa mbola tsy tanteraka. Nitsangana ny federasion’ny gadra politika satria tsy misy fampihavananaa raha tsy misy fanonerana ny nihatra tamin’olona, araka ny heviny. Avela halalaka haneho hevitra koa anefa izy ireo amin’izay tomban’ny fanonerana. « Ka aleo ny olona haneho ny heviny. Misy fenitra sy fepetra nasionaly ahafaha-manao izany », hoy ihany izy.

 Zo. Ra.

Cet article Fifidianana kaominaly : « Efa tonga saina ny ankolafy Ravalomanana », hoy R. Ihanta est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles