
Niteraka resabe tamin’iny herinandro iny ny fisintahan’ny ankolafy Rajoelina sy ny ankolafy Zafy tamin’ny dingan’ny fampihavanana notarihin’ny FFKM. Noho izany no nilazan’ny Pr Rasolo André, iray amin’ireo mpandray anjara amin’ny fampihaonana teny Mahamasina fa sarotra ny lalan’ny dingan’ny fampihavanana.
Nomarihiny anefa fa matoa misy ny fifampidinihina, tsy voatery hitovy hevitra foana ny olona izay efa nitovy hevitra omaly sy androany. « Mety hiova eny an-dalana eny ny hevitra. Arakaraka ny irosoantsika no ipoiran’ny hevitra samihafa », hoy izy. Na manahirana aza, heveriny fa tsy tokony hahataitra izany fa fomban-javatra.
Mihevitra kosa anefa ity mpandinika fiarahamonina ity fa tsy azo faritana dieny izao ny faharetan’ny dingan’ny fampihavanana. « Ny tany Afrika Atsimo aza, efa folo taona mahery no nanaovana dingan’ny fampihavanana nefa misy zavatra mikatso be any amin’ny faritra sasany », hoy izy. Izany hoe misy ny efa mandroso ary ao koa ireo faritra mbola mafana be ny fanavakavaham-bolon-koditra.
Noho izany, mitaky fananana faharetana sy fanetren-tena, araka ny tenin’ny Arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Razanakolona Odon Marie Arsène ny raharaha. Tsy lalan-tokana mazava sy migodana ny fampihavanana fa miaka-midina ary mandroso ihany, araka ny fahitan’ny Pr Rasolo André azy. « Manantena aho fa ho voavaha io tsy fitovian-kevitra io ao anatin’ny fifampidinihina sy ao anatin’ny fandraisana ny feon’ny vahoaka satria nangetaheta koa ireo nandritra ny dinik’izy dimy mirahalahy », hoy ihany izy.
Zo. Ra.
Cet article Pr Rasolo André : « Mila fotoana maharitra ny fampihavanana » est apparu en premier sur NewsMada.