
Nifamotoana tao amin’ny Paprika, Ankorondrano ny sabotsy lasa teo ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, niaraka tamin’ireo teto Antananarivo. Ankoatra ny fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra, nifantoka kokoa tamin’ny fampiraisankina sy fiombonam-po ny lanonana. Notsiahivin’ny filohan’ny Holafitra, Rakotonirina Gérard tamin’ny teny fohy ny asa miandry. Eo, ohatra, ny fimasoana amin’ny haha matihanina ny asa ho an’ny rehetra sy ny fiarovana ny tontolon’ny asa.
Nanterina nandritra io fotoana io koa ny fanomezan-danja ireo fikambanan’ny mpanao gazety isan-tsehatra. Ireo rahateo no anisan’ny angady nananana ny fijoroan’ny Holafitra indray, niaraka tamin’ireo nandrafitra ny didy aman-dalàna nenti-nikarakara ny fifidianana. Omena vahana kokoa ny hetahetan’ny fikambanana isan-tsehatra. Efa nisy ireo fikambanan’ny mpanao gazety nanolotra izany tany amin’ny foiben’ny Holafitra. Ankoatra ny fampijoroana ilay lalàna vaovaon’ny serasera sy ny fifandraisana, eo an-dalam-panatanterahana ny fanamorana ny fahazahoan’ireo fikambanana ny valin’izany, toy ny fanofanana na fanamafisana traikefa avy amin’ireo sampan-draharaha vahiny miara-miombon’antoka ny Holafitra.
Fitsinjaran-draharaha ifotony
Raha ny rafitra napetrak’ireo vaomieram-pifidianana sy ireo nandrafitra ny didy aman-dalàna nenti-nikarakara ny fifidianana ny biraon’ny Holafitra, efa mihatra avy hatrany ny fitsinjaram-pahefana sy fitsinjaran-draharaha ifotony. Noho izany, tsy hiandry lava ny foibe ireo birao isam-paritany, fa afaka mandray izay andraikitra tandrify azy avy any an-toerana. Ahavitan-draharaha kokoa, ankoatra ny asa andavanandro maha mpanao gazety rahateo izany no fanomezan-kasina ireo rafitra any amin’ny faritany.
Nanafana ny fotoana teny amin’ny Paprika, Ankorondrano ry Monique Njava sy Joël Rabesolo, Gasy Mihanta ary Farezy. Nanolo-tanana tamin’ny fikarakarana kosa ny orinasa STAR, ny orinasa COMADIS ary ny minisiteran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana, Nanipy resaka ny amin’ny hanomezana trano hanaovan’ny biraon’ny Holafitra toeram-piasana ity farany. Mbola tsy nisy hevitra tapaka ny amin’izany, eo anivon’ny Holafitra mba tsy hisian’ny fiheverana fa baikoin’ny minisitera ny holafitry ny mpanao gazety.
Zo. Ra.
Cet article Holafitry ny Mpanao gazety : omen-danja manokana ireo fikambanana est apparu en premier sur NewsMada.