
Tsy nisalasala ny minisitry ny Fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean-Anicet, nilaza tamin’ny mpanao gazety, fa fahombiazana no azon’ny minisitera notantaniny, raha nanao jery todika ny taona 2015 ny tenany. Na nandalo fotoan-tsarotra aza, nisy ny vokatra tsara nampalaza sy nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara, raha tsy hitanisa afa-tsy ny zava-bitan’ny tsipy kanetibe sy ny kick-boxing.
Tsy tongatonga ho azy anefa izany vokatra izay, fa nisy ny fiaraha-miasa akaiky sy matotra amin’ireo tontolon’ny fanatanjahantena, izay vy nahitana izany. Nomarihin’ny minisitra Jean-Anicet fa misy departemanta roa ao amin’ny minisitera, ny an’ny fanatanjahantena sy ny an’ny tanora, izay samy nahomby avokoa.
Ny hampiroborobo ny fiainan’ny tanora sy hampandroso ny fanatanjahantena ka ny ho filamatra maneran-tany no ho tanjon’i Madagasikara, amin’ity taona 2016. Tsy ho tratra nefa izany, raha tsy eo ny fiaraha-miasan’ny rehetra miaraka amin’ny minisitera. Nambarany àry fa ho taon’ny asa ny 2016. Tsy nanafina izy, araka izany, fa mafimafy ny miandry ny rehetra amin’ity, ka mila misikim-ponitra sy manao ezaka araka izay tratra ny rehetra.
Ampahatsiahivina fa anisan’ireo lalao miandry an’i Madagasikara ny fandraisana, ny “Lalaon’ny komision’ny tanora sy ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina” (CJSOI), izay hotontosaina ny volana aogositra ho avy izao.
Tompondaka