
Mafy ny vokatry ny rotsak’orana be nijojo tany amin’ny faritra Sofia sy Boeny. Sahiran-tsaina ny vahoaka manoloana ny fahavoazana satria rava ny fananana rehetra, lasan’ny rano. Nisy rahateo ny aina nafoy vokatry ny trano nianjera tao Mampikony.
Olona iray no maty nianjeran’ny trano ao amin’ny distrikan’i Mampikony, vokatry ny rano miakatra taorian’ny rotsak’orana tany amin’ny faritra Sofia sy Boeny nandritra ny herinandro. Efa nihena ny orana fa mbola sahirana kosa ny mponina satria tsy mbola nidina ny rano. Ny voly rahateo, simban’ny rano avokoa ka tsy mahita hosarangotina izy ireo. Tsy nandefa filazana intsony ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly, ka heverina fa hitsahatra ny rotsak’orana. Afaka efatra andro vao vinavinaina hisy andro ratsy hafa hiforona.
Tsy nisy niova ny tarehimarika navoakan’ny BNGRC momba ny isan’ny traboina sy ny zavatra simba ny alakamisy alina. Nanamarika ny mponina fa mbola tsy tonga nijery ifotony ny zava-misy ny fitondram-panjakana hatramin’ny omaly.
Nitondra vary milanja 40 t sy voamaina 20 t ho an’ny traboina any amin’ny distrikan’i Mampikony ny BNGRC, ny alakamisy lasa teo. Mahatratra 694 ny traboina ao an-toerana ka 334 ao amin’ny fokonttany Mandrosoa ary 360 ao amin’ny fokontany Betsingala. Mbola mila tranolay ny mponina satria tsy tokony hipetraka any amin’ny sekoly ny traboina satria tapaka ny fampianarana. Efa nisy rahateo ny didy nivoaka fa tsy azo handraisana traboina intsony ny sekoly rehefa fahavaratra. Ankoatra ny tranolay, tsy ampy rano fisotro madio, lay misy odimoka, masomboly, fanafody , kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny mponina satria lasan’ny rano avokoa ny vokatra.
Vonjy A.