
Hanisa ny mpikarakara sy mpivarotra sakafo masaka isaky ny boriborintany ny sampandraharaha misahana ny fitiliana sy ny kalitaon’ny sakafo amin’ity taona ity. Hiara-hiasa amin’ny tomponandraikitra isaky ny tanàna ny teknisianina. Hizarana boky torolalana ny sefo fokontany sy ny komitin’ny fahasalamana. Hitohy ny fampianarana ny mpikirakira sakafo masaka amin’ny fahadiovana sy ny sazy miandry azy raha mandika ny lalàna ifampifehezan’ny samy « gargotier ». « Aorian’ny fampianarana sy ny fanaraha-maso, hahazo « certificat » ny gargotier mahafa-po ary tolorana « label » ohatra ny fanaon’ny trano fisakafoana rehetra ireny », hoy ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny sampandraharaha misahana ny fitiliana sy ny kalitaon’ny sakafo, Rajemiarimoelisoa Miraho Felaniaina. Havaozina ihany koa ny fahalalan’ny mpitsabo amin’ny CSB II mba tsy ho sarotra ny fandraisana an-tanana ny marary voan’ny fahapoizinana ara-tsakafo. Ankoatra ny mpiasan’ny fahasalamana avy amin’ny fanjakana, iantefan’ny fanentanana koa ny mpitsabo tsy miankina. Zava-dehibe ny fandrindrana ny asa eny anivon’ny fokontany ka hisantarana izany ny boriborintany fahadimy.
Ny 25 desambra lasa teo, olona 30 niara-narary vokatry ny fahapoizinana avy amin’ny fihinanana mofo mamy. Tanjona ny hampihena ny isan’ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo.
Miseho amin’ny soritr’aretina mandoa na mivalana na miaraka miampy mafana hoditra amin’ny olona roa noho mihoatra niara-nisakafo amin’ny toerana iray mitovy ny fahapoizinana ara-tsakafo. Ora roa taorian’ny nihinanana ny sakafo no mitranga ny fambara ary tokony hoentina haingana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Raha misy ambin-tsakafo, mila entina ihany koa hatao fitiliana any amin’ny sampana misahana ny fitiliana sy ny kalitaon’ny sakafo eny Tsaralalàna na miantso ny laharana 033 11 262 45.
Vonjy A.