
Mihazakazaka ny toe-draharaha! Hiatrika ny fanadihadian’ny mpitsara indray ny mpitsara Jacquis amin’ny alatsinainy. Mitohy ny famotorana azy. Andanin’izany, tsy mbola niakatra teny amin’ny fitsarana kosa ireo olona 27 mianadahy raha tokony ho natao omaly izany.
Raha tsy misy ny fiovana, hiatrika ny fitsarana tampony indray ny mpitsara Jacquis, ny alatsinainy izao. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana manodidina ny “Raharaha fakana an-keriny”, antony nakana azy tany Toamasina sy nampidirana azy am-ponja vonjimaika, izao raharaha izao. Mbola maro ny tsiambaratelo sy ny fanadihadiana lalina momba ity fakana an-keriny ity. Ankoatra an’i Arnaud izay avotra soa aman-tsara mantsy, nisy vonoan’olona ihany koa tao, izay nahafaty ny anabavin’ity tovolahikely. Maro ireo olona efa nosamborina mpiray tsikombakomba, nandray anjara mivantana na lavitra na akaiky amin’ity fakana an-keriny ity.
Notanana any Manjakandriana ity mpitsara tafiditra amin’ny resaka fakana an-keriny ity. Any Ambatolampy kosa ireo olona 27 nakarin’ny fiadidiana ny Repoblika avy any Toamasina momba ity raharaha ity ihany. Nandeha ny feo fa tokony ho niatrika ny fitsarana ireo omaly, saingy tsy raikitra izany, raha ny vaovao teny amin’ny fitsarana sy ny avy amin’ny polisin’ny BC mandray an-tanana ny raharaha.
Andrasana ny momba ny fitaovam-piadiana
Manomboka mazava ny lalana momba ny resaka mpitsara sy ny manodidina azy. Andrasan’ny maro koa ny momba ny fitaovam-piadiana marobe tratra tany Toamasina farany teo. Kalachnikov efatra, bala anjatony sy grenady ary vovoka manempotra fampiasan’ny Emmo/Reg. Ny lehiben’ny mpampanoa lalàna any Toamasina, efa nasiaka mafy nilaza fa tsy amelana ny momba ireo fitaovam-piadiana ireo raha tsy hita ny marina. Mangingina anefa ity resaka farany ity tato ho ato.
Yves S.