Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Brickaville : tratran’ny zandary ny iray amin’ireo jiolahy naka an-keriny an’i Arnaud

$
0
0

 Mitohy hatrany ny fikarohana sy ny fandravan’ny zandary ireo tambajotrana mpanao kidnapping, tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny an’i Arnaud sy Annie zanaka mpandraharaha iray ao Toamasina. Fantatra àry izao araka ny loharanom-baovao fa jiolahy iray indray no voasambotry ny zandary avy ao Toamasina, afakomaly tao Brickaville. Tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao no nahafahan’ny zandary nanao ny fisamborana ity jiolahy raindahiny ity. Efa nisy fotoana nikarohana azy tao Toamasina, saingy tafaporitsaka tany Brickaville. Voalaza fa isan’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’iny fakana an-keriny azy mianadahy iny ity jiolahy ity ary isan’ireo tao anaty lisitra teo am-pelatanan’ny zandary izy, raha ny fanazavana hatrany. Nentin’ny zandary hanaovana fanadihadiana any Toamasina avy hatrany taorian’izay.

Ao anatin’ny fanadihadiana ity jiolahy ity, araka izany, ka aorian’izay no hahafantarana ny marina rehetra momba azy.

Tsiahivina fa isan’ny raharaha nafampana ary niteraka resabe teto amin’ny firenena mihitsy ity raharaka fakana an-keriny azy mianadahy zanaka mpandraharaha ity. Efa nisy ihany ny raharaha fakana an-keriny hatramin’izay fa niavaka tamin’izany ity fakana an-keriny tao Toamasina ny taona 2015 ity. Niditra an-tsehatra hatramin’ny fanjakana mihitsy satria efa nihahenjana ny paikadin’ireo mpaka an-keriny izay niafara tamin’ny famonoan’ireo jiolahy an’i Annie.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Trending Articles