Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70711

Avy any Antsiranana : efatra andro vao tonga eto Antananarivo

$
0
0
CR Diana

Efatra andro (omaly) vao tonga eto Antananarivo ny olona niainga avy any Antsiranana, ny alatsinainy lasa teo, hamonjy fivorian’ny Croix rouge malagasy. Nirotsaka be ny orana ka nivoaka ny fefiloha avokoa ny renirano maro. Eo amin’ny fokontany Tanetibe, Ambohitohaka no tena niakatra be ny rano ka voatery nijanona roa andro mihitsy ny mpandeha tao anaty fiara mpitatitra olona. Enina ny « radier » tsy maintsy hiampitana, nefa dibo-drano tanteraka, voatery mitaingina lakana. « Any amin’ny toeram-pisakafoana, eny ambony latabatra no mipetraka misakafo fa dibo-drano avokoa ny trano rehetra. 1m miala ny tany ny haavon’ny rano amin’ny toerana izay aleha », araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny Croix rouge ao amin’ny faritra Diana, Boanarijesy Jean Claude, omaly.

Inefatra nifindra fiara, nandeha lakana indroa ary inefatra nitaingina sarety izy ireo vao tonga aty Antananarivo.  Ny mpamily manararaotra ny mpandeha ka lasa midangana avokoa ny saran-dalana. Tafakatra 200 000 Ar ny vola lany an-dalana (sakafo sy saran-dalana) vao tody soa aman-tsara eto an-drenivohitra ny tenany.

Nambaran’ny  talem-paritry ny Croix rouge ao amin’ny faritra Sofia, dokotera Tsarahita fa isan-taona no mijaly amin’ny rano miakatra ao amin’ny distrikan’i Mampikony satria ambany toerana ny tanàna. Efa ho herinandro no tsy nitsahatra mihitsy ny rotsak’orana ka niakatra be ny renirano. Ny ranon’orana avy any Andilamena sy Ambatondrazaka rahateo mivarina ao Mampikony avokoa. Lalana tokony ho vita ao anatin’ny 15 minitra, telo andro vao afaka tao fa miandry ny rano hidina. Manao antso amin’ny mpitondra mba hamonjy ny mponina any an-toerana fa lehibe ny fahavoazana amin’izao fotoana izao. Ny voly koa simba avokoa.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70711

Trending Articles