Efa nahazo anarana ilay andro ratsy niforona ao amin’ny ranomasina Indianina ny alarobia hariva teo. Corentin no anarany, omaly antoandro, tany amin’ny 2 500 km atsinanan’ny Cap Masoala no nisy ny foibeny. Vinavinaina tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika ity andro ratsy ity, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Mbola ny « zone de convergence intertropicale » no mahatonga ny andian-drahona mitondra ny orana any amin’ny tapany avaratra. Nambaran’ny teknisianina fa efa mihena ny andian-drahona ary nidina any an-dranomasina sy any Nosy Be izany. Mbola atahorana ihany ny rotsak’orana be ho an’ny tapany avaratra. Vokany, manan-kery ny filazana loza mitatao ho an’ny faritra Diana sy ny distrikan’Analalava amin’ny fiakaran’ny rano. Ao anatin’ny dimy andro hoavy, ahina mbola hisy andro ratsy hiforona.
Nanome vola 1 tapitrisa dolara ho an’ny fanjakana malagasy ny banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) hanamboarana ny fotodrafitrasa sosialy ravan’ny rivodoza Chezda ny taona 2015. Efitrano fianarana 23 mahatohitra rivodoza amin’ny EPP 11 ka ny roa eto Antananarivo. 5 240 ny mpahazo tombontsoa amin’ny asa fanarenana izay hataon’ny Unicef. Hisy koa fanavaozana toeram-pitsaboana any Miandrivazo. Ho an’ny tetikasa faharoa, 230 000 ny hahita vokatra tsara amin’ny fahasalamany. Napetraka omaly teny Sabotsy namehana ny fisantarana ny asa fanorenana lycée sy ny EPP eny Ambodimita.