Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Agoa : entanina ny orinasa madinika sy salantsalany

$
0
0
agoa

Nanao atrikasa niaraka tamin’ny orinasa madinika sy salantsalany, maherin’ny 30, ny sampandraharaha amerikanina East Africa Trade + Investment Hub, omaly teto Antananarivo. Voatoatin’ny fotoana ny fanentanana azy ireo, hiditra ao anatin’ny tsena amerikanina tsy andoavana haba Agoa. Nampahafantarina azy ireo ny dingana samihafa arahina, ary indrindra ny fepetra takina amin’ny hankatoavana ny firotsahana fahavononana. Santionany amin’izany ny fepetra momba ny haban-tseranana, ny fitandroana ny tontolo iainana, ny fanajana ny lalàna mifehy ny asa sy ny zon’ny mpiasa, sns.

Handoavan-ketra aorian’ny 2025

Hatreto, afaka nanondrana ny vokany tany Etazonia ny orinasa eto Madagasikara 10 tamin’ny 23. Andiany faharoa ny nahazoantsika ny Agoa (2015- 2019). Nilaza ny minisitry ny Varotra, Rabesahala Mamy, fa hifarana hatramin’ny taona 2025 ny Agoa, tsy tataovan-ketra. Aorian’io fotoana io, handoavana haba ny manondrana entana mankany Etazonia fa afaka hiditra aty Madagasikara koa anefa ny entana avy any Etazonia, amin’ny tataon-ketra ambany.

Jerena ny sehatra hafa

Fahefatra amin’ireo firenena misitraka  ny Agoa i Madagasikara. Vokatra tena fanondrantsika ny avy amin’ny lamba. Mahatonga izany, indostria efa mandroso eto amintsika ity sehatra ity, sady efa mipetraka tsara ny fotodrafitrasa.

Nilaza ny talen’ny Hub, Trade Promotion & Agoa, Finn Holm-Olsen, fa tsy hionona amin’ny lafiny lamba fotsiny ny entana azo aondrana any Etazonia. Hojerena koa ny sehatra hafa, toy ny lamaody, ny fampihaingoana anaty trano, ny sakafo manokana. Manampy ireo, misy teknisianin’ny Hub mijanona eto Madagasikara mandritra ny herinandro, hijery ny vokatra voajanahary, indrindra ny misy sy mampiavaka an’i Madagaskara, toy ny lavanila, ny karazan-tsakay sy manitra, sns.

Njaka Andriantefiarinesy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Trending Articles