Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642

Tontolon’ny fitsarana  : handray andraikitra amin’ny fihoaram-pefin’ny mpitsara ny CSM

$
0
0
????????????????????????????????????

  Niteraka resabe ny amin’ny tontolon’ny fitsarana tato ho ato. Inony ny marina ? Nilaza ny handray andraikitra namin’ny fihoaram-pefy sy ny fandikan-dalàna ataon’ny mpitsara ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM).

 

« Manamafy ny finiavany hanohy sy hanamafy ny fandraisana andraikitra ny CSM manoloana ny fihoaram-pefy ary ny fandikan-dalàna sy ny fitsipi-pifehezana ataon’ny mpitsara, satria antoky ny fahaleovantenany ihany koa ny fahamarinana sy ny fahitsiana. »

Anisan’ny fanambaran’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), omaly, io,  taorian’ny fihaonan’ny mpikambana tamin’ny filohan’ny Repoblika, izay filohan’ny CSM rahateo, teny Iavoloha, afakomaly.

Manohitra sy manameloka ny endrika fitsabatsabahana mivantana na ankolaka atao amin’ny asam-pitsarana ny CSM. Na avy amin’ny olon-tsotra izany, na vondrona, na tomponandraikitra eo anivon’ny ambaratonga samihafa.

Tsy ijerena tavan’olona ny asam-pitsarana

 

Mampahafantatra koa izy ireo amin’izay rehetra manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana fa tsy ijerena tavan’olona ny asam-pitsarana. Manasa ny rehetra izy ireo mba hiandry amim-pitoniana hatrany ny didy avoakan’ny fitsarana, ary hampiasa ny zo voalazan’ny lalàna raha tsy afa-po amin’ny didy mivoaka.

Mampirisika hatrany sy mankahery ny mpitsara hanatanteraka ny asa, araka ny lalàna sy ny fianianana nataony, ny CSM, ka hampahafantatra avy hatrany ny lehibe mivantana amin’izay tranga ahatsapana tsindry na teritery amin’ny fanatanterahana ny asany.

Manamafy ny fahavononany amin’ny fandraisany ny andraikiny amin’ny fiarovana toy ny anakandriamaso ny fahefam-pitsarana sy ny fahaleovantenan’ny mpitsara tsirairay hanatanteraka ny asa ao anatin’ny fanajana feno ny lalàmpanorenana sy ny fianianana nataony.

Hanao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo amin’ny fanandratana avo ny hasin’ny fitsarana, izay antoky ny tany tan-dalàna ary fanoitran’ny fampandrosoana.

Mampieritreritra ny toe-draharaha

Tsy zava-baovao ny fanambaran’ny CSM ny amin’ireo efa asany sy andraikiny hatramin’izay. Ny mampieritreritra ny mpandinika sasany: maninona no ampahatsiavihina izany rehetra izany taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny filohan’ny Repoblika, izay filohan’ny CSM, teny Iavoloha, afakomaly?

Fihaonana tsy mpitranga loatra izany, na hoe fiarahabana noho ny taona vaovao aza, fa taorian’ny fampiakarana aty Antananarivo ireo olona voarohirohy miisa 27 tamin’ny raharaha fakana an-keriny sy ny fanaovana takalon’aina tany Toamasina. Iza no manao inona, na inona avokoa izany? Mampieritreritra…

R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70642