Vaky ny fefilohan’i Mahajamba ao Mahajamba ozinina (Mahajanga II) araka ny vaovao nampitain’ny ben’ny Tanàna omaly tamin’ny radiom-pirenena. Mbola tsy nisy ny aina nafoy fa miantso ny tomponandraikitra kosa izy ireo hijery akaiky ny fahavoazana satria mbola mitohy ny orana. « Ho an’ny lalam-pirenena fahefatra mihazo an’i Mahajanga koa, tapaka tanteraka ny lalana vokatry ny fiakaran’ny rano aty amin’ny 4 km raha hiditra ny tanànan’Ambondromamy ka ny fiara avo sy matanjaka ihany sisa afaka mita ny ranobe », hoy ny fanambaran’ireo nanatri-maso ny zava-misy any an-toerana, omaly.
Manambara ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa mbola matanjaka be ny andian-drahona matevina mitoetra ao amin’ny tapany avaratra andrefana sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Hitohy ny orambe sy ny rivotra mahery mahatratra 60 km isan’ora hatramin’ny omaly hariva ary hitohy hatramin’ny anio maraina. Voakasin’izany loza mitatao izany ny faritra Sofia, Diana, Analanjirofo, Sava, Mahajanga I-II. Hikisaka miandalana mankany an-dranomasina ity andian-drahona matevina ity ary hihena ny heriny.
Mbola manamafy ny tokony hitandreman’ny mponina amin’ny fiakaran’ny rano ny tomponandraikitra.
Vonjy