
« Mahatsapa ny AKFM fa mitohy ny fandikan-dalàna sy ny kiantranoantrano, ny gaboraraka sy ny fandanilaniam-poana ny volam-bahoaka, ny kolikoly avo lenta, na efa miditra amin’ny telo taona nandraisany fitondrana aza ny filoham-pirenena. »
Io ny fanambarana navoakan’ny antoko AKFM, omaly, momba ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Mibaribary toy ny vay an-kandrina ny fangoronan-karena tsy nisasarana ataon’ireo manana andraikitra isan-tokony. Mitombo hatrany anefa ny fahasahiranana sy fahantran’ny vahoaka maro anisa.
Potehina tanteraka ny maha malagasy ny Malagasy, ary ezahina hatao varoboba amin’ny vahiny i Madagasikara. Miantso ny mpikambana rehetra ao aminy sy ny vahoaka malagasy ny antoko AKFM mba tsy hanaiky intsony izay famotehana izay.
Misarika ny sain’ny rehetra ny antoko mba ho mailo sy hamaky bantsilana ireo fihetsika itadiavana hampisaraham-bazana ny samy Malagasy, hahatsiaro mandrakariva fa tsy avela ho very maina ny ran’ireo tia tanindrazana nitolona ho an’ny fahafahana sy ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
R. Nd.