Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Fantina sy fintina

$
0
0

Havoakan’ny HCC etsy Ambohidahy, ny zoma izao, ny voka-pifidianana loholona natao ny 29 desambra lasa teo, araka ny loharanom-baovao azo.

Tsiahivina fa naharay fitoriana sy fitarainana maherin’ny 20 ny etsy Ambohidahy. Tsy azo noraisina kosa anefa ny sasany amin’izany noho ny tsy fahafenoan’ny fepetra.

Manana valo andro, hanendrena ireo loholona 21, ny filoham-pirenena aorian’ny hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana loholona.

Maherin’ny 300 ireo kandidà nanatitra ny antontan-taratasy filatsahany hotendrena eny amin’ny sekretera jeneralin’ny prezidansa.

Tsy mbola nahavita ny fanambaram-pananany eny amin’ny HCC ny minisitry ny Serasera sy ny fifandraisana, Andrianjato Vonison, hatramin’izao. Efa nanao izany avokoa anefa ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny governemanta Ravelonarivo.

Tokony ho efa nifarana ny faran’ny taona teo anefa ny fe-potoana farany nomena azy ireo.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671