Maty tsy tra-drano ilay zazakely voadonan’ny fiara taksiborosy iray ho any Vatomandry tao Ambodiboanara Toamasina I, ny alatsinainy teo. Voalaza fa nandeha mafy ny fiara nefa niampita tampoka ity zazakely niharam-boina ity ka tsy afa-niala intsony ilay taksiborosy. Nentina teny amin’ny hopitaly, saingy tsy avotra intsony. Notazonina vonjimaika ilay mpamily.
↧